Tatitra mahakasika ny tombana sy jery todika ny Paikadim-pirenena Iadiana amin’ny Kolikoly teny amin’ny Antenimierampirenena

Ny talata 22 oktobra 2024 dia nanatanteraka tatitra teo anivon’ny Antenimierampirenena, ny Komity Mitarika ny famolavolana ny Paikadim-pirenena vaovao Iadiana amin’ny Kolikoly, mahakasika ny tombana sy jery todika ny Paikadim-pirenena Iadiana amin’ny Kolikoly 2015 – 2025. Nahitana karazany dimy ny tombana izay natao, izay nifantoka tamin’ny hoe: nifanaraka tamin’ny Paikady voavolavola ve ny hetsika notanterahina? Mifandrindra ve ireo hetsika natao iadiana amin’ny Kolikoly? Tratra ve ny tanjona napetraka? Nahomby ve raha tombanana mihoatra ny enti-manana teo am-pelatanana ny fampiharana ny Paikady? Mbola azo hianteherana maharitra ve ity Paikady amin’izao fotoana izao ity?

Toy izao ny tsoan-kevitra, izay nivoitra, taorian’io tombana sy jery todika izay natao io :

➖ Tsy tratra tanteraka ireo tanjona izay napetraka tao anatin’ilay Paikady noho ny antony maro samihafa mahakasika ny tontolo ara-politika, ny ara-toekarena ary ny ara-tsosialy sarotra nandritra ny fotoana izay nampiharana azy ; ny tsy fisian’ny rindra sy lamina ary fiaraha-miasa mafonja teo amin’ireo andrim-panjakana samihafa ; ny tsy fananana rafitra ara-dalàna nanaramaso ny fampiharana azy ; ary ny tsy fahampian’ny enti-manana ara-bola sy arak’olona.

➖ Mihamahazo vahana hatrany ny tranganà kolikoly ary tsy nahitana fanatsarana lehibe ireo maridrefy iraisam-pirenena mamaritra ny fandrosoan’ny ady amin’ny kolikoly teto Madagasikara noho ny antony maro samy hafa ;

➖ Lasa sakana ho an’ny fivelaran’ny toekarena malagasy sy ho an’ny fiarovana ny harena voajanahary ary ny fampisitrahana tolotra ara-tsosialy manaraka ny fenitra ny Kolikoly, izay mitarika amin’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona ary tsy mamporisika ny firoboroboan’ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

➖ Tsy vitan’ny Paikadim-pirenena Iadiana amin’ny Kolikoly 2015-2025 ny nanamafy sy nametraka ny fahatokisan’ny vahoaka tamin’ny alalan’ny fanomezana famaizana mavesatra ny trangana Kolikoly hanafoanana ny tsimatimanota, izay takian’ny fiaraha-monina malagasy.

➖ Misedra fahatarana ny fampiharana ny Politikan’ny ady amin’ny Kolikoly eny amin’ireo sehatra isan-tsokajiny tokony ampiharana izany.

➖ Eo ihany koa ny fahatarana amin’ny fametrahana ny rafitra manokana eny anivon’ny minisitera, ny fitsinjaram-pahefana, ny sampan-draharaham-panjakana ary ny orinasa hananan’ny Fanjakana petra-bola.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *