MOMBA NY RAFITRA MISAHANA NY FAMERENANA IREO FANANANA SY VOLA MALOTO AMIN’NY FANJAKANA (ARAI)
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 29 septambra 2021 lasa teo ny didim-panjakana mametraka ny rafitra misahahana ny famerenena ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo fananana maloto azo avy amin’ny kolikoly na ny ARAI. Dingana goavana ho an’ny ady atao amin’ny kolikoly eto amin’ny firenena izany satria ahafahana mangeja sy mihazona ireo fananana sy vola maloto rehetra azo avy amin’ny kolikoly.