Antananarivo, ny 31 Janoary 2025 – Andriamatoa Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, dia nanolotra tamin’ny fomba ofisialy androany ny Paikadim-pirenena vaovao Iadiana amin’ny Kolikoly (SNLCC) 2025-2030 ho an’i Madagasikara. Nanamarika dingana lehibe amin’ity ady amin’ny ady amin’ny Kolikoly ity tokoa.
Nandritra ny taona maro, arak’izany, ny Governemanta sy ny rafi-panjakana isan-tsokajiny dia nanao ezaka lehibe tamin’ity Ady amin’ny Kolikoly ity. Anisan’ireo hetsika nisongadina nandritra izany : ny fanamafisana ny fitantanana ny teti-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny nomerika, ny fampiharana ny fomba fiasa henjana amin’ny fanendrena ny ambasadaoro sy ny minisitra, ny ady amin’ny fotodrafitrasa sandoka nefa nanaovana ny famoaham-bola ara-dalàna, ny fanesorana sy fandroahana tsy ho mpiasam-panjakana avy hatrany ireo tompon’andraikitra tratra nanao kolikoly, ny lalàna momba ny famerenana amin’ny Fanjakana ny Harena azo tamin’ny tsy ara-dalana, ny fanatsarana eny anivon’ireo seha-pihariana isan-karazany toy ny eo amin’ny sehatry ny volamena ary ny fametrahana fomba fiasa manaraka ny lamina nomerika amin’ny fitantanana ny mpiasam-panjakana. Ankoatr’izany, ny fanavaozana hafa dia nahitana ny fanatsarana ny fahazoam-baovao sy ny fampiasana ny teknolojia nomerika (open data), ny fametrahana « scanner » eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny « 100% scanning » eny amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga sy Toamasina, ny fampidirana ny fanambarana elektronika momba ny famoahana entana ary ny fampiasana ny e-hetra amin’ny fanambarana hetra.
Ity Paikady vaovao ity dia novolavolaina ho fanohizana ny ezaka efa nataon’ny Fanjakana amin’ny Ady amin’ny Kolikoly isan’ambaratongany ary mikendry ny hanova an’i Madagasikara, amin’ny taona 2030, ho « nosy hanjakan’ny fahitsiana, ka tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana lovainjafy intsony ny tambajotran’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. »
Ny SNLCC 2025-2030 dia miorina amin’ny tanjona stratejika telo, vokatra andrasana sivy ary zana-bokatra sy asa stratejika enina amby roapolo hanatrarana ny vokatra andrasana.
Ireto avy ireo tanjona stratejika telo :
- Ho foana ny tsimatimanota
- Hamporisihina ny fomba fiasa mampandray andraikitra ny rehetra, ny fandrindrana ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly
- Miroborobo ny kolontsaina mifototra amin’ny fahitsiana ifampizaran’ny rehetra
Mahakasika ny fanatanterahana azy, ity Paikady ity dia manolo-kevitra ny hananganana rafitra mpitarika iray, izay ny Primatiora sy ny Komity Mitandro ny Fahitsiana (CSI) no hiara-hitarika azy. Ity rafitra mpitarika ity dia ho tompon’andraikitra amin’ny fankatoavana ny Drafitrasa sy ny hetsika hotanterahina isan-taona ary ny fanolorana soso-kevitra fanatsarana raha ilaina.
Ny drafitra fanatanterahana dia arahina drafitra fanaraha-maso sy fanombanana, ahafahana mandrefy ny fahombiazan’ny Paikady sy mitondra fanatsarana miandalana. Hisy tatitra isan-taona momba ny fandrosoan’ny fanatanterahana ny Paikady izay hampahafantarina ireo manampahefana isan-tsokajiny ary ho avoaka mba ho afaka fantarin’ny besinimaro.